Ny fiarahamonim-pirenena manoloana ny Tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy.

Raha nanao fanadihadiana ireo fiarahamonim-pirenena nifanerasera taminay tao anatin’ny volana vitsivitsy izahay eto amin’ny Fanainga, dia nahatsapa fa vitsy amin’izy ireo ihany no mahafantatra ny amin’ny fandrosoana lovainjafy na ny ‘développement durable’ sy ny fisian’ny tanjon’ny fandrosoana lovainjafy ho an’ny taona 2030, na ny ‘Objectifs du Développement Durable pour 2030’, na ilay antsoina ihany koa hoe Diary 2030 ho an’ny fandrosoana lovainjafy na ‘Agenda 2030’.

Ny amin’izay kely tokony ho fantatra ny amin’ny fandrosoana lovainjafy sy ny Diary 2030 no andeha ho entintsika ato anatin’ity lahatsoratra ity, ary indrindra indrindra ny amin’ireo andraikitry ny fiarahamonim-pirenena manoloana ireo tanjona. Niniana natao amon’ny teny Malagasy izany mba hahafahan’ny rehetra mahazo ireo hevi-dehibe sy ho fampiatiana hatrany ny teny Malagasy amin’ny serasera ifanaovantsika.

Hatramin’ny taona 1972, ny Firenena Mikambana dia mikarakara fihaonamben’ny mpitondra firenena sy ny solotenan’ny firenena maneran-tany, hikaon-doha sy hidinika, hamaritra ny endrika sy fomba hirosoana ho amin’ny fandrosoana lovainjafy maneran-tany. Isaky ny 10 taona ny fihaonambe, izay antsoina hoe “Sommet de la Terre” na fihaonana fara tampony, hanoritana ny lohahevitra sy ny tanjona hotratrarina iraisan’ny mpandray anjara rehetra ao anatin’ny 10 taona ho avy manaraka. Ny fihaonana fara tampony dia mikendry ny hanehoana ny fahaiza-manao sy ny fahafahan’ny firenena rehetra mpandray anjara hiara-mientana hiatrika ireo olana goavana miseho amin’ny planeta Tany sy ny olana mitranga eo amin’ny Tontolo iainana. Haompana amin’ny lafiny ara-Ekonomika, ara-tSosialy àry Tontolo iainana ny vahaolana aroso.

Aorian’ny fihaonana fara tampony, ny tompon’andraikitry ny firenena tsirairay izay nanao sonia ny fifanarahana tapaky ny mpizaika, dia tsy maintsy manoritra ihany koa ny tanjon’ny fandrosoana lovainjafy ho an’ny firenena nihaviany avy, miaraka amin’ireo mpisehatra rehetra ao aminy – ary anisan’ny mandray anjara amin’izany ny Fiarahamonim-pirenena.

Mifandraika sy manatratra ny tanjon’ny fandrosoana lovainjafy maneran-tany ny tanjona faritan’ny firenena tsirairay amin’izany. Manoritra ny asa hotanterahina sy mandrafitra ny drafitr’asa ho an’ny folo taona kosa ireo mpisehatra isam-pirenena ho enti-manatanteraka ny vina.

Araka izany, ny fandaharanasa, ny hetsika sy tetikasa rafetina rehetra, izay volavolain’ny mpisehatra rehetra, na ny avy amin’ny fanjakana, na ny tsy miankina, na ny Fiarahamonim-pirenena, ka heverina hitondra fanovana na fiovana eo amin’ny sokajin’olona kinendry – amin’ny sehatra rehetra tsy an-kanavaka, dia tovozina amin’izany drafitr’asam-pirenen’ny fampandrosoana lovainjafy izany avokoa.

Ny mpitondra firenena tsirairay dia manana adidy isan-taona, hanao tatitra ny fanatanterahana ny drafitr’asa nosoritany. Asongadina amin’izany ny anjara biriky entin’ilay firenena sy ny fizotry ny asany hanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy maneran-tany. Mazava ho azy fa mandray anjara amin’ny fanoratana ny tatitra avokoa ireo mpisehatra rehetra nandrafitra ny drafitr’asa, toy ny fiarahamonim-pirenena.

Ny volana Septambra 2000, dia nanatanteraka fihaonana tany New York , Etazonia ireo mpitondra sy mpitantana firenena miisa 193 ao amin’ny fianakaviamben’ny Firenena Mikambana hamaritra sy hamolavola ny tanjon’ny taonarivo fahatelo ho an’ny fampandrosoana (objectifs des ,millénaires pour le développement – OMD) izay natomboka ny taona 2000 ka hatramin’ny 2015. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny firenena Malagasy. Tanjona lehibe miisa 8 no nofaritana, izay niompana tamin’ny ady amin’ny fahantrana, hanoanana, aretina, tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra, fanimbàna ny tontolo iainana ary ny fanavakavahana ny vehivavy.

15 taona taty aoriana, ny volana Septambra 2015, dia nanatanteraka fihaonana fara tampony tao New York indray ireo firenena miisa 193 ao amin’ny fianakaviamben’ny Firenena Mikambana, ka nikaon-doha ny amin’izay hanohizana ny tanjon’ny taonarivo fahatelo. Niara-nanapaka sy nifanamby ny rehetra fa hikendry ny fivoarana ara-toe-karena, ary hamongotra hatramin’ny fakany ny fahantrana, tsy handripaka intsony ny harena voajanahary. Tanjona miisa 17 no nofaritana sy nifanomezana fotoana fa hotratrarina hatramin’ny taona 2030 manerana izao tontolo izao, ka kendrena mba hisitraka ny vokatra avokoa ny olona tsirairay. Anisan’ny firenena nanao izany fanamby izany i Madagasikara.

Ny hasin’ny fokonolona sy ny andraikiny, ny fihariana lavorary, ny fonenana sy ny tontolo iainana, ny fandriampahalemana ary ny fiarahamiasa no nojerena akaiky nahafahana namaritra ireo tanjon’ny fandrosoana lovainjafy tokony hotratrarina.

Samy manana ny laharam-pahamehany ny firenena tsirairay hanatrarana ny Diary 2030. Ho an’i Madagasikara, zava-kendrena 64 amin’ny 169 no ilaina tanterahina sy hotratrarina hanatanterahana ny fandrosoana lovainjafy.

Manana ny anjara asa sy anjara andraikitra avokoa ny rehetra noho izany : ny mpitondra, ny sehatra tsy miankina, ny mpanabe, ny Fiarahamonim-pirenena, hatramin’ny daholobe.

Noho izany, dia miainga avy amin’ireo tanjon’ny fandrosoana lovainjafy ireo avokoa ny programan’asa fampandrosoana eto Madagasikara.

Ho an’ny Fiarahamonim-pirenena manokana, dia manana andraikitra izy ireo :

  • ny hampahafantatra ny olom-pirenena ireo tanjon’ny Diary 2030 ho an’ny Fandrosoana lovainjafy sy ny mahazava-dehibe azy ;
  • hanatanteraka asa na tetikasa na hetsika mifandraika amin’izany tanjona izany ;
  • ny hanara-maso sy hanao adisisika ny fampiharana ireo tanjona amin’ireo politika sy paikady rehetra hampiharin’ny fanjakana Malagasy entina hampandrosoana ny firenena ;
  • ny hanao tamberin’andraikitra ny amin’ny fizotry ny fanatanterahana sy ny fanatrarana ny fanambin’ny firenena Malagasy amin’ny tanjon’ny fandrosoana lovainjafy.

Ny 18 hatramin’ny 20 Novambra 2019, ny Hetsika Rohy niaraka tamin’ny fanohanan’ny PNUD sy ny Fanainga, dia nanatanteraka atrikasa momba ny Diary 2030 ho an’ny fandrosoana lovainjafy teto Antananarivo. Mpikambana sy mpitarika vondron’olompirenena 117 avy amin’ny faritra 22 no niara-nandinika ny lohahevitra hoe : “Ny fandraisan’andraikitry ny Fiarahamonim-pirenena eo amin’ny fanatratrana ny tanjon’ny fandrosoana lovainjafy”.

Voavolavola sy voasonia tamin’izany ireo fanambin’ny Fiarahamonim-pirenena amin’ny asa sy paikady entina hanatanterahana ity Diary 2030 ity.

Aiza ho aiza ankehitriny ny fizotry ny fanambin’izy ireo ?

Partager l'article

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Articles récents

Leçons apprises du Covid-19 : la gestion de l’eau et de l’hygiène.

Avec la pandémie de COVID-19, le monde entier s’est retrouvé face à une situation inédite où les gestes les plus basiques du quotidien devenaient tout

Partager l'article
Lire la suite »

Réapprendre le changement. Le cas de Fy Ankinana dans le Vakinankaratra

Jusqu’à 2020, l’association Fy Ankinana s’adonnait à l’électrification rurale. Dans les localités rurales et reculées, l’association mettait à la disposition des ménages, des kits solaires.

Partager l'article
Lire la suite »

Accès à l’eau et à l’hygiène : les femme à la tête du changement communautaire

Dans la commune rurale de Miary, Tuléar II, la diarrhée chronique qui touchait les enfants a été éradiquée depuis qu’un groupe de femmes a pris

Partager l'article
Lire la suite »

Appui aux connaissances sur la régularisation des naissances par le biais du numérique.

Le district d’Antsiranana II dispose désormais d’une base de données démographique concernant des enfants sans actes de naissance. Des enquêteurs formés à la collecte de

Partager l'article
Lire la suite »