Rafim-pitantanana

Ny COPIL sy ny CTS

Ny comité de pilotage :

Anisan’ny mampiavaka an’ny Fanainga ny fampandraisana andraikitra mitovy ny firaisamonim-pirenena sy ny mpiara-miombon’antoka ao anatin’ny rafitra fototra eo aminy, dia ny Comité de Pilotage na COPIL.

Ny COPIL dia manana mpikambana toy izao :

  • Solotena 1 isaky ny mpira-miombon’antoka, izany hoe 1 ny Vondrona eraopeana, Coopération Allemande, Agence française de développement, governemanta an’ny Monaco sy ny masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara. Ny AFD sy ny Masoivohon’i Frantsa nefa dia miisa ho iray rehefa misy fanapahan-kevitra raisina.
  • Solontena iray isakin’ny faritra iasan’ny Fanainga+avy amin’ny firaisamonim-pirenena, izany hoe solotena 08, izay fidin’izy ireo

 

Io rafitra io dia mitanay toerana’ny mpanolotsaina, mpanome torolalana aty mandany ireo paik’ady entin’ny Fanainga+ mba hahatratrarany ny tanjony. Izy no mamaritra ny t’ndrosotran’ireo asa ataosy ireo vaindohan’draharahan’ny tetikasa.

 

Ny COPIL dia :

          Mandany ireo atontan-kevitry iraisana, ny tetibola izay hiasan’ny Fanainga+.

          Mamaritra ireo vaindohan-draharaha sy paikady ary raha ilaina dia manova izany.

          Mamaritra ny fifandraisan’ny  Fanainga+ sy ny rafim-panjakana Malagasy.

          Manapaka ny serasera entin’ny Fanainga+ sy ny serasera mahakasika ireo mpiara-miombon’antoka aminy.

          Manapalka ny fampidirana mpiara-miombon’antoka hon’ny Fanainga+.

          Mametraka ny drafitr’asa sy ny fanatanterahana izany araka ny tetibolan’ny Fanainga+.

Ny COPIL no rafitra fara-tampony eto amin’ny Fanainga+.

 

Ny comité technique et de suivi :

Ny CTS no miantoka ny fanarahamaso ara-teknika ny fanatanterahana ny ny asa tanterahin’ny Fanainga+.

Izy no :

  • Miantoka ny fannatanteraha   na ny paikady sy ireo toro-marika avy amin’ny COPIL.
  • Miantoka fa ampiasaina amin’ny fomba mangarahara, ara-drariny, mahomby ary araka ny vina izay kendren’ny Fanainga+.
  • Manapaka ny serasera araka ny toromarika nomen’ny COPIL.
  • Mankato ny paik’ady sy fomba fiasa tanterahin’ny tetikasa.
  • Manolotra hevitra an’ny Fanainga+ amin’ny fomba hanjohiana firaisamonim-pirenena sasatsasany, indrindra ireo misehatra amin’ny resaka ara-politika.
  • Miantoka ny fahombiazan’ny Fanainga+, na amin’ny fivoaran’ny fomba fiasa, na aminn’y fampiasana ara-drariny ny enti-manana.
  • Mankato ny fitaovana sy antontan-kevitra atolotry ny ekipan’ny Fanainga+.
  • Mampilaza ny COPIL raha misy olana eo amin’ny fanatanterahan’ny Fanainga+ ny asany.

Ny mpikambana ao amin’ny CTS dia ireo mpikambana ao amin’ny COPIL ihany. Ireo mpisolo tena ny mpiara-miombonantoka kosa dia ireo misahana ny ara-teknika kokoa no miditra ao anatin’ny CTS.

Ireo solotenan'ny firaisamonim-pirenena

1

Masimana Gahidi
Marenjaka

Solontenan'ny faritra

Anôsy
PFROSC
2

Fanampea Olga
Clarisse

Solontenan'ny faritra

Androy
AMPELA MIVEY VATA
3

Fitason Phil
Arlin

Solontenan'ny faritra

Androy
SENAM
4

Razanamahefa
Stellah

Solontenan'ny faritra

Haute Matsiatra
CEDII
5

Razafimahatratra
Michel

Solontenan'ny faritra

Vakinankaratra
CCPGEM
6

Rabendrainy
Sendraharisoa Lydia

Solontenan'ny faritra

Analamanga
SAIOMF
7

Tibaka Randrianantenaina
Nicolas

Solontenan'ny faritra

Analanjirofo
JAD
8

Leva José
André

Solontenan'ny faritra

DIANA
TAVANDRA