NY FOMBA FIASANAY

Ny asa rehetra sahanin’ny Fanainga+ dia mamaly ireo filan’ny firaisamonim-pirenena izay efa nozohian’ny Vondrona eraopeana hatramin’ny taona 2012, izay miorina amin’ny fomba fiasa misokatra amin’ny mpiantsehatra rehetra na inona na inona sehatr’asa iasany mba hafahana miatrika manontolo sy mirindra tsara ireo olana sedrain’ny firaisamonim-pirenena.

Ny paikady entin’ny Fanainga+ dia ny hampihena ny tsy fitovian-danja eo amin’ny samy firaisamonim-pirenena sy ny hametraka ireo fenitra hivelaran’ny fandraisana andraikitra ka mba hahalalan’ireo firaisamonim-pirenena fa tsy maintsy atao izay hampahaleo tena ny Fanainga ao anatin’ny fotoana fohy.

Ny mampiavaka ny paikadin’ny Fanainga+ dia ny fisiana sori-dalana izay mikendry ny hampandray an-tanana ny firaisamonim-pirenena ny ho aviny ka mametraka azy ireo ho eo anivon’ny asa rehetra atao.

– Miditra anaty fanjohiana ny firaisamonim-pirenena mba hampitombo ny haitaony ara stratéjika, eo amin’ny fandaminan’asa ary ny hahazoan’izy ireo famatsim-bola.

– Ny ambaratongam-panjohiana entin’ny Fanainga+ dia misy dingana samihafa, mifanaraka sy miabo hatrany.

Ny tohana ataon’ny Fanainga+ dia :

  • Manokana ho an’ny vondron’ny firaisamonim-pirenena tsirairay
  • Arakaraky ny filàna
  • Mifanentana amin’ny filan’ny vondron’ny firaisamonim-pirenena (Mifanaraka amin’ny filany, ny enti-manana eo aminy sy ny tontolo ivelarany)
  • Isan-karazany (KArazana tohana maro samihafa)
  • Manontolo (Mahasahana ny fiainan’ny vondron’ny firaisamonim-pirenena manontolo)

 

Ny paikady entin’ny Fanainga+ noho izany dia mivoaka ny fomba fiasa izay manohana tetikasa fohy ezaka isay mametraka ny vondron’ny firaisamonim-pirenena ho mpanatanteraka asa fotsiny ihany. Amin’ity fomba fiasany ity, Fanainga+ dia mikendry indrindra ny hahafahan’ny vondron’ny firaisamonim-pirenena tsirairay izay zohiny hamaritra ny paikady mifanentana amin’ny zavamisy iainany sy ny fiainampirenena sy hiasa amin’ny maha mpandray anjara feno azy amin’ny fitantanana mahomby sy ny fampandrosoana ara-tsaosialy.

Ireo mpahazo tombontsoa

Ireo Vondron’ny firaisamonim-pirenena :

  • Miaina ny soatoavina demokratika sy fampiatiana.
  • Izay mampiseho fahavononana sy fahavitrihana.
  • Izay miasa ho amin’ny fanovana ara-saosialy maharitra sy mampiaty ho an’ireo vondron’olona tena marefo sy voahilika ary hiarana tsindry.

Tokony hamaly ireto fepetra ireto izy ireo :

  1. Mitsangana ara-dalàna na tsia fa miasa eto Madagasikara
  2. Tsy mitady tombom-barotra sy miasa ho an’ny tombontsoa iombonana.
  3. Miasa amin’ny fomba demokratika, mangarahara, mampiaty sy tsy manavakavaka.
  4. Tsy ahitana karazana tsindry na fanaparam-pahefana.
  5. Tsy mirona mankany amin’ny fitarihan’olona ho amin’ny fironana aram-pinoana na ara-polotika amin’ireo asa izay ataony.

 

Mba hisin’ny fahombiazana feno sy faharetan’ny asan’ny firaisamonim-pirenena nefa dia manjohy amin’ny fomba mirindra kokoa ireo vondron’ny firaisamonim-pirenena izay manosika kokoa ny fivelaran’ireo mpitarika, na vondrona izany na tambazotran’ny firaisamonim-pirenena izay miasa eny ifotony.

Ireo mpitarika vaovao ireo, na vondrona na tambazotra dia mety hahazo tohana manokana sy fanjohiana akaiky kokoa mba hivelarany hatrany.